Tsy mbola nivoaham-pofona. Ao anatin’ny fandinihana ny tetiandrom-pifidianana ny eo anivon’ny Ceni amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, i Soava Andriamarotafika, omaly, teny Alarobia, fa handroso ny volavolana tetiandro izy ireo aorian’ny fikatonan’ny lisi-pifidianana ny volana mey izao. “Mazava ny voalazan’ny lalàna fa aorian’ny famaranana ny lisitra no […]
Mois : janvier 2024
TSELATRA
Raim-pianakaviana iray nitondra moto naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tetsy Andavamamba, omaly tolakandro. Nandeha mafy kinanjo nifatratra tamina lavaka teo afovoan’ny arabe izy ka nitarika ny loza. Lehilahy nitsoaka ny fonja tao Maroantsetra, voasambotry ny mpitandro filaminana tao Masoala, kaominina Ampanavoana, distrikan’Antalaha, ny alahady 28 janoary teo. Nifampitadiavana io lehilahy […]
Noho ny loza tato ho ato…: nampianatra ireo mpitondra moto indray ny polisy
Nirongatra tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona. Lohalaharana amin’izany ny moto. Manoloana izany, nanatanteraka fanentanana manokana tamin’ireo mpitondra kodiaran-droa teny amin’ny « rond point » Ankasina, ny sampandraharahan’ny polisim-pirenena misahana ny lozam-pifamoivoizana na BAC (Brigade des accidents de la circulation) eny Tsaralalana. Nandray ny andraikiny manokana, araka izany, ity sampana iray […]
Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy telo maty voatifitra
Nifamaly tifitra tamin’ny mpitandro filaminana, namoy ny ainy ny jiolahy telo lahy, tamin’ireo nanafika tao Soanarivo, kaominina Fiaferana, distrikan’Antananarivo Avaradrano, afakomaly. Naharay fampandrenesana ny zandary fa nitrangana fanafihana tao amin’io fokontany io tamin’ny 8 ora alina. Nanao ny paikady hanatrarana ireo olon-dratsy ireo ny mpitandro filaminana. Nandrindra izany ny lefitry […]
Delege naiditra am-ponja : namono olona tamin’ny vy mahamay
Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy Toamasina, omaly ny delegen’ny boriborintany ao amin’ny kaominina Andasibe Vavatenina. Tompon’antoka tamina raharaha vonoan’olona feno habibiana izy… Votoatin’ny fiampangana ity delegen’ny boriborintany ao amin’ny kaominina Andasibe, distrikan’i Vavatenina, ity ny vonoan’olona feno habibiana, fanararaotam-pahefana tsy rafesi-mandidy ary fandosirana sy fandavana fiantsoana nataon’ny zandary. Vao […]




