Tamin’ity herinandro ity, nidina tany atsimon’ny Nosy, nitety ireo asa tohanan’ny mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombon’antoka ny iraky ny Firenena mikambana tarihin’ny sekretera lefitra, i Reena Ghelani. Notarihin’ny tale jeneralin’ny BNGRC ireo ekipa nanao fitetezam-paritra.
Nisantarana ny dia ny fitsidihana ny Start Network ao Anjataoka 3. Nanazava ny tombontsoa azony tamin’ny tohana ataon’ny ONN, vatsian’ny UNICEF vola, ireo mpisitraka. Nahazo fiofanana manokana ho an’ny reny izy ireo mba hahay handrefy ny soratanan’ny zanany (PB) ka hisorohana sy ahafantarana mialoha raha sanatria tratra na misy soritra tsy fanjarian-tsakafo ilay zaza.
Nitsidika ny PMS (Paysans multiplicateurs de semences) sy ny ECP (Ecole champ paysans) ihany koa ny delegasiona. Ny PMS dia komity mpamokatra Tabiry/ Doria Bajiry sy Ampemba mba ho fiomanana sy ho fisorohana mialoha amin’ny haintany sy ny tsy fisian’ny Doria. Fampianarana ny ankizy dieny mbola kely hahay mamokatra sy mikajy Tabiry/ Doria.
Nisy ny fitsidihana ny saha fampitomboana Tabiry/Doria izay tohanan’ny FAO ka nahitana Saha famokarana doria voanjo katra sy doria katsaka tondrahana amin’ny paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro, amin’ny fomba kalifornianina. Tohanan’ny FAO ara-bola ny tetikasa.
Programan’asan’ny fanjakana avokoa ny tetikasa fa tohana sy fanampiana no anjaran’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola.
Tatiana A




