Marins pompiers de Marseille : nampiofana ny mpamonjy voina

Nampiofana sy nifampizara traikefa ireo sampana mpamonjy voina ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny avy ao amin’ny Marins Pompiers de Marseille tamin’ity herinandro ity.
Mahakasika ny fitantanana sy ny fahaiza-manao amin’ny famonoana afo no tena votoatin’izany. Misy ihany koa ireo fitaovana maromaro hoentina hiarovana amin’ny afo izay nanampian’ny Marins Pompiers de Marseille ho an’ny ekipa eto Antananarivo hanatanterahana ny asany.
Tanjona ny hampitomboana ny fahalalana sy fahaiza-manao ary ny traikefa ananan’ny mpamonjy voina mba hoentina miaro ny mpiara-belona sy ny fananany.
Mandritra ny fotoan’ny maintany no tena mirongatra ny haintrano eto Antananarivo. Matetika sarotra ny famonjena noho ny tsy firindran’ny fotodrafitrasa ka tsy ahafahana mitarika ny rano. Mihatrana isan’andro kosa ny mpamono afo amin’ireo fitaovana eo am-pelatanana mba tsy hisian’ny aina hafoy sy hahafehy haingana ny afo tsy hisian’ny fahasimbana betsaka.

Tatiana A

Partager sur: