Nihofahofa indray ny sainam-pirenena malagasy, tany Egypte, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Seniors, taranja fibatana fonjamby. Voahosotra ho tompondakan’i Afrika Randafiarison Rosina, sokajy latsaky ny 49kg. Medaly volamena 3 no indray noraofiny, teo amin’ny “arraché” 74kg, ny “Epaulé jeté” 95kg, ary ny “total olympique” 169 kg. Zava-dehibe ho an’i Rosina ny niatrehany ny fifaninanana, indrindra ny nahazoany ny fandresena. Tafiditra ao anatin’ny fifaninanana hahazoana ny tapakilan’ny lalao Olympika hatao any Paris izany.
Malagasy atleta anisan’ny efa tsara toerana ny tenany amin’ny hahafahana miatrika ny “JO 2024”. Tsiahivina, vao avy niakatra sokajy izy, raha toa ka mbola sokajy latsaky 45kg, tamin’ny fifaninanana farany natrehany. Tamin’ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika, Seniors ity, no nifaninana teo amin’ ny sokajy latsaky ny 49 kg voalohany izy. Nahazo vokatra tsara avy hatrany. Mbola hisy fifaninanana iraisam-pirenena hatrehany mialohan’ny lalao Olympika.
Mi. Raz




