Mois : février 2024

FANTINA sy FINTINA

Hamolavola hetsika ny komity teknika faha-77 taonan’ny 29 marsa. Nivory ny herinandro teo izy ireo. “Hanamarihana izany ny famelo-maso ny tantara, ny fampitana ny fanilo amin’ny taranaka”, hoy ny filoha mpitarika ny fikarakarana, ny Jly Randrianantenaina Emilson. Handalo eny amin’ny Antenimierandoholona hankatoavina, taorian’ny nandanian’ny depiote azy ireo volavolan-dalàna roa: ny […]

Ravalomanana Marc : “Tsy avelantsika hanjaka tokana ny mpitondra…”

“Tsy avelantsika hanjaka tokana eto ireo eo amin’ny fitondrana fa tsy maintsy atao ny hananantsika olom-boafidy marobe amin’ireo fifidianana rehetra ho avy”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalo­manana. Nitarika ny fambolen-kazon’ny antoko teny Imerikiasinina ny tenany. Nambarany anefa fa tsy ho tratra izany raha tsy manentana ny vahoaka hisoratra anarana […]

Ny maha olona tsy misy hadino

  Tsy fandriampahalemana etsy sy eroa, fanolanana, fisandohana, fihanaky ny zava-mahadomelina… Izany ny fiarahamonina malagasy amin’izao. Ao anatin’ny fahalavoana na fahalovana? Fahantrana no antony, na izany no vao mainka mampahantra fa mitambotsotra andro aman’alina ny maha olona. Na sanatria efa mihabiby ny sasany… Izany no hoe fandrosoana? Nefa hoe ho […]

Tsy fanarahan-dalàna eny amoron’Andralanitra : sarona ary nogiazana ny fitaovana nanotorana tany

Nambaran’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, ny herinandro teo, fa nahazo tatitra amin’ny fanotorana tany tsy ara-dalàna eny amoron’Andralanitra ny tenany. Sarona izany ary efa mandeha ny fanadihadiana. Naniraka ny polisin’ny fa­na­jariana ny tany “Ser­vice de Police de l’Amé­na­gement du Territoire – SPAT) ny tenany […]

TSELATRA

Voasambotra ilay namono mpitsabo mpanampy, ny 23 septambra teo, tao Vohilengo- Farafangana. Naiditra am-ponja ny faran’ny herinandro teo, ny lehilahy. Nifanena taminy tao anaty haizina, notolominy ary nanamparany ny filan-dratsiny io mpianatra ho mpitsabo io. Notsindrominy tamin’ny vy ny fivaviany taorian’ny filan-dratsiny ary nodarohany tamin’ny hazo ny tendan’ilay vehivavy. Tratra […]