Tsy mandeha fa tsy misy lohany mitarika azy, ankehitriny, ny federasiona malagasin’ny Taekwondo WT (FMTKD). Ny filoha teo aloha tsy eto an-toerana fa any ivelany, hany ka mivaralila ny fitantanana izay misy fiantraikany any amin’ ireo atleta. Marisarisa ny tontolon’ny taranja Taekwondo WT eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Efa tsy […]
Mois : février 2024
Tontolo iainana : hamboly hazo any Andramasina ny Manda
Hamboly hazo ny fikambanana ivondronan’ny mpianatry ny oniversite miankina na tsia amin’ny fanjakana avy any amin’iny distrikan’Andramasina na Manda. Hotanterahina ny sabotsy izao, any Andramasina, izany. Hiara-dalana amin’izany koa ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao eo amin’ny mpikambana sady fitsangatsanganana rahateo, ao amin’ny espace Viser loin Andramasina. «Tanjon’ny fikambanana ny […]
Fiofanana: miara-miasa ny OJM sy ny Instat
Anisan’ny zava-dehibe ny fikirakirana ny fampiasana ny antontanisa. Ilaina amin’ny fanatsarana ny fandraisana fanapahan-kevitra izany. Eo koa ny mety hahafahana mandresy lahatra amin’ny karazana hetsika na fanaovana fangatahana fanampiana. Manampy izany, afaka hanatsarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy hamantarana ny vokatra hoentina miasa. Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny Instat, Ndremitsara Tarzan: “mila […]
Fitsarana : hampiasaina ny « Diary fanarahan-draharaha »
Ho fanamorana sy hisorohana ny kolikoly eny amin’ny fitsarana, napetraka ny « Diary fanarahan-draharaha ». Fomba fiasa vaovao eny anivon’ny fitsarana izany. Hampiasaina eny amin’ ny fitsarana ny «Diary fanarahan-draharaha» ( Carnet de Suivi). Ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana no nanolotra izany teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, omaly. […]
INDRAY MIJERY
171 ny ankizy manana olana amin’ny fiarahamonina raisina an-tanana eny amin’ny akany Avoko. 29 amin’ireo napetraky ny mpitsara misahana ny zaza tsy ampy taona eny an-toerana, taorian’ny fanolanana nahazo azy ireo. 25 ankizivavy ary efatra ankizilahy. Matetika ny olom-pady sy ny fianakaviana ihany no mahavanon-doza manolana azy ireo. Manao antso […]




