Mois : février 2024

Nifin’Akanga-Fanolanana : tsy ampy ny lalàna famaizana

Nanao hetsika ho fampahafantarana ny fanolanana amin’ny ankapobeny sy ataon’ny olom-pady, teny Anosy, ny fikambanana Nifin’Akanga, ny faran’ny herinandro teo, niaraka tamin’ny mpitantana ny akany Avoko eny Am­bohidratrimo sy Bevalala. Tanjona ny hiresahana ireo ampahibemaso ho an’ny daholobe satria zava-misy eny amin’ny fiarahamonina. Fo­toana nanangonana tohana vola avy amin’ny rehetra […]

Faritra Itasy : mpampianatry ny oniversite 150 nofanina

Tafiditra ao anatin’ny ezaka 100 andron’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatra eny amin’ny oniversite. Nisantarana izany ny fanofanana ireo mpampianatra miisa 150 ao amin’ny faritra Itasy. Hitohy ny 24 febroary izao ny fiofanana ary faranana any Soavinandriana, ny 26 febroary. Tanjona ny hanatanteraka […]

Aretina androbe: tsy mifindra fa mila maharitra amin’ny fitsaboana

Antony maro no mety mahatonga ny androbe. Aretina tsy mifindra izy ireny ary mila tohana ny marary mandritra ny krizy tsy hahatsiarovany tena. Mandritra ny herinandro ny fanentanana mo­mba ny aretina androbe, karakarain’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mitondra fanazavana mahakasika ny aretina ny minisitera ary milaza fa tsy areti-mifindra ny androbe ary […]

Jono: Malalaka ny fihariana dingadingana

Kitro ifaharan’ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny jono. Midadasika rahateo ny farin-dranomasina ka azo trandrahina tsara ny harena an-dranomasina. Nampaha­fan­tatra ny dingadingana na zanga (Concombre de mer) ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Pau­bert, omaly, teny Ampandria­nomby. Tafiditra ao anatin’izany ny fiompiana ity karazana hazandrano ity […]

ONG Indri: Hamorona ala 15 ha any Bongolava

Namolavola tetikasa ny fikambanana ONG Indri ta­min’ny novambra 2023 teo, hamoronana ala any amin’ny faritra Bongolava. Tafiditra ao anatin’ny boky torolalana, ahitana paikady miisa 10 hampahomby ny famerenana ny ala eto Madagasikara ity tetikasa ity. Hanentanana ny mponina sy ny besinimaro hampihatra ny fomba tsara sady hitondra voka-tsoa amin’ny fambolen-kazo […]