Hiroso amin’ny fandoavana ny tataon-ketra (TVA) mitentina 57 miliara Ar ny fanjakana taorian’ny dinika nifanaovan’ ny Groupement des entreprises franches et partenaire (GEFP) sy ny fanjakana malagasy, ny herinandro teo. Tompon’andraikitra voakasika voalohany sady solontenan’ny sehatra tsy miankina ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny minisiteran’ny Toekarena […]
Mois : février 2024
Banky iraisam-pirenena: hamatsy vola 4 miliara dolara mahery an’i Madagasikara
Hanome famatsiam-bola mitentina 4 130 000 000 dolara an’i Madagasikara ny Banky iraisam-pirenena hanohanana ireo tetikasa goavana izay tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ankapoben’ny fanjakana. Manokana teti-bola mitentina 4 130 000 000 dolara ny Banky iraisam-pirenena hamatsiana ireo tetikasa lehibe 26 ao anatin’ny fandaharanasan’ny Banky iraisam-pirenena ho an’ny fampiasam-bola ho an’i Madagasikara (Programme d’investissement de la Banque […]
VAOVAO TAMBATRA
Tsy mitsaha-mitotongana ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena hatramin’ny voalohan’ny taona 2024 . Ankehitriny, efa latsaky ny 16 000 dolara ny 1 taonina, araka ny tatitra navokan’ny London Metal Exchange (LME). Samy miatrika izao krizy izao ny firenena rehetra maneran-tany, anisan’izany i Madagasikara. Hiara-hiasa i Madagasikara sy Egypte amin’ny fambolena “dates” […]
Rotary Vovonana Analamanga: nahazo jiro ny fokontany 11 any Manalalondo
Natolotry ny fikambanana Rotary Club Analamanga (RCA) Vovonana ny fikambanana Vonona avy any Manalalondo ny jiro manazava arabe miisa 33, ny sabotsy 17 febroary teo. Nanatanteraka izany ny filohan’ny RCA Vovonana, Randrianarisoa Malalatiana, sy ireo mpiray fikambanana aminy. Hotsinjaraina any amin’ny fokontany miisa 11, ao anatin’ny kaominina Malalalondo, distrika Arivonimamo, […]
Tsena iraisam-pirenena: miisa enina ireo orinasa nahazo alalana hanondrana volamena
Miverina misokatra ny fanondranana volamena mankany ivelany rehefa niato nandritra ny efa-taona. Hentitra ny fanaraha-maso sy ny fepetra takina amin’ ny fandraharahana Fantatra avokoa ireo orinasa nahazo alalana hanondrana volamena mankany ivelany. Miisa enina izy ireo izay miparitaka manerana an’i Madagasikara. Naseho ampahibemaso teny amin’ny Mining Business Center (MBC) Ivato, […]




