Fitoriana eny amin’ny HCC: manohana an-dRazanamahasoa Christine ny MMM

Naneho ny heviny, manoloana ny fitorian’ny IRD ny filohan’ny Antenimierampire­ne­na, Razanamahasoa Christine eny amin’ny HCC ny MMM. Nohitsin’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, fa manjaka ny tsy tan-dalàna ka niantsoany ireo Andrim-panjakana isan-tokony hijoro ho arofanina. “Aoka hanaja sy hanaraka ny lalàna mba tsy ho tsarain’ny tantara”, hoy izy tetsy Ankerana, omaly. Nan­ka­hery ny fijoroan-dRazana­mahasoa Christine amin’ny maha ray aman-dreny azy ny MMM. Andrasana ny fahasahian’ny tsirairay mijoro eto amin’ny firenena. ”Filohan’ Andrim­panjakana nefa anaovana toetran-tsy zaka. Very ny fahendrena malagasy. Efa natao tahaka izany koa ny le­hiben’ny Antenimierando­holona teo aloha ary nambara ho miteniteny foana sy adala”, hoy izy. Rariny raha miteny izy ireny fa tsy te hiray tsikombakomba sy tsy afaka ny hangina, araka ny nambarany ha­trany.
Manantena ny MMM fa tsy hiditra anaty tsy fanarahan-dalàna ny HCC. “Ho lasa fanjakan’i baroa isika ka tsy afaka hanaiky izany izahay… Mitom­bina ny filazana fa olona no sakana amin’ny fampandrosoana eto. Tsy mbola tara raha manaja lalàna isika”, hoy izy.
Nampahery ireo mpiray ta­nindrazana tratry ny voina noho ny andro ratsy ny MMM. Miady irery noho ny tsy fananan’ny mpitondra vina sy paikady hiatrehana izany.

Synèse R.

Partager sur: