Ratolojanahary Maharavo: “Aoka tsy hatao takalon’aina ny vahoaka”

Nambaran’ny tale kabinetran’ny filohan’ny Antenimiera, Ratolojanahary Maharavo (Dou­dou) fa misy fetrany ny zava-drehetra. “Aoka tsy hoterena tsy hanara-dalàna indray ny HCC. Aza atao takalon’aina ny vahoaka sy ny firenena”, hoy izy. Valin-kafatra nentiny manoloana ny nitorian’ny IRD sy hanonganana an-dRazanamahasoa Christine tsy filohan’ny Antenimieram-pirenena izany. Nohitsiny fa zary tsy misy lanjany intsony ny Lalàmpanorenana. Ahin­drahindra etsy sy eroa ny anarana IRD na efa tsy manaraka ny takin’ny lalàna intsony aza, araka ny nambarany. “Tsy fara-tampon’ny fahendrena sy ny fahefana akory rehefa depiote… Tompon’ny fanapahan-kevitra farany hatrany ny vahoaka”, hoy ihany izy.
Nanamafy izany ny avy amin’ny Otrikafo ka nilaza fa tsy vahaolana ny fanonganana an-dRazanamahasoa Christine. “Hiteraka krizy sy fahasahiranana eto amin’ny firenena izany… Aleo ny olana sosialy no hikarohana vahaolana. Ilaina ny fametrahana fitoniana hirosoana amin’ny fifidianana am-pilaminana”, hoy izy.
Nambaran’ny sekretera na­sionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick, kosa fa mivaona any amin’ny tsy izy ny fanaovana politika sy ny demokrasia. Ilaina ny fahalalahana miteny ary tsy tokony hatsangana ho fahavalo ireo tsy mitovy hevitra, araka ny nambarany hatrany. “Very hasiny ny demokrasia”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: