Naratra mafy teo amin’ny faritra ambany heliny havanana ny raim-pianakaviana iray lasibatry ny fanendahana tao Ankadikely Ilafy, ny alatsinainy 25 marsa teo. Hamonjy fodiana hihazo ny vady aman-janany io lehilahy io no nifanehatra tampoka tamin’ny mpanendaka. Nitondra antsy maranitra ny mpandroba. Niezaka niala ireo olon-dratsy io raim-pianakaviana io saingy notrobaran’ireo […]
Mois : mars 2024
Tanjombato: jiolahy tratra teo am-panamboarana moto halatra
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Foibe Atsimondrano eny Tanjombato, afakomaly, ny jiolahy iray tratra nangalatra moto an’ny orinasa iray. Tao amina trano iray vao amboarina no tratran’ny polisy ny jiolahy iray niaraka tamin’ny moto halatra izay nanaovan’ny tompony fitarainana ny talata 26 marsa 2024. Araka ny fitoriana nataon’ny […]
Antsirabe : telo lahy nahatrarana vola sandoka
Vola sandoka 18 tapitrisa Ar tratra teny amin’ireo telo lahy nosamborin’ny polisy tao Antsirabe, ny alatsinainy 25 marsa teo. Nokasain’ireo mpisoloky ireo amidy sy aparitaka tao amin’ny renivohitr’i Vakinakaratra tao anatin’ity herinandro mialoha ny fankalazana ny fetin’ny paska ity ireo vola sandoka ireo. Mponina avy eto Antananarivo ilay lehilahy iray […]
Tsy fandriampahalemana: Tsimponin’ny jiolahy ny mpitandro filaminana
Manao ezaka goavana amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny mpitandro filaminana. Indrisy ! Mihantsy sy mahasahy azy ireo ny olon-dratsy. Hany ka misy ny lavo am-perinasa. Vao afakomaly, nisy ilay zandary G2C maty notifirin’ny dahalo tao Ankerabe distrikan’i Maintirano. Miaramila roa lahy manao asa fampandrian-tany no nifanehatra tamina andian-dahalo mpanao fanafihana […]




