Anisan’ny literatiora am-bava tranainy ny teatra. Maro ny dingana nolalovany raha ny teto Madagasikara manokana. Amin’izao fotoana izao, mihamaro ireo tanora liana amin’ny filalaovana sy fankafizana azy. Tontosa omaly, teny amin’ ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny “Fanokafana ny taona teatraly”, niarahana tamin’ny Fanilon’ny Teatra Malagasy, avy ao amin’ny […]
Mois : mars 2024
Vaovao tambatra
Hiakatra 0,95 dolara na koa 4 160Ar ny sarany ambany amin’ny tolotra « internet mobile » 1Go manomboka ny 1 aprily. Tsy ara-dalàna intsony ny tolotra amban’io sarany vaovao io aorian’ny daty voatondro tahaka ireo tolotra misy amin’izao fotoana. Mbola latsaky ny 0,95 kosa ny vidin’ny internet mobile eto Madagasikara. […]
Tsenan’Andravoahangy: mizana 21 sy vato mizana maro nogiazana
Hentitra. Vato mizana manodidina ny 50 isa sy mizana 21 tsy ara-dalàna no nogiazana avy hatrany nandritra ny fidinana tampoka nataon’ny tomponandraikitry ny tsenan’Andravoahangy sy ny solontenan’ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana, ny talata teo. Hetsika izay natao hiarovana ny mpanjifa sy ho fanamarinana ireo fitaovam-pandanjana samihafa. Mbola miparitaka eny […]
Tia tanindrazana hoe ?
Hanamarika ny andron’ny 29 marsa isika eto Madagasikara rahampitso. Andro manan-tantara tokoa mahakasika ny fiainam-pirenena sy ny tontolo iainan-dRamalagasy, ankehitriny. Tolona izay voalaza fa nanafahana teo ambany vahoan’ny mpanjanaka. Tolona namoizana ain’olona amana hetsiny. Tolona manamarika ny fitiavan-tanindrazana « tena izy ». 77 taona aty aoriana, manao ahoana ny […]
Trafika hazo « pachypodium » : teratany malagasy 3 sy sinoa 1 tratra
Sarona ny tambajotra mpanondrana antsokosoko ny zavamaniry jabihy (pachypodium). Any Azia, indrindra any Japana sy Thailandy ny firenena tena mpandray azy. Tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny karazan-kazo jabihy (pachypodium) miisa 891, ny 5 marsa teo. Teratany malagasy telo sy sinoa no voasambotra tamin’izany, ary notazonina vonjimaika any amin’ny fonjan’i […]




