Nihena ny tahan’ny fampiasana ireo « blocs pétroliers » eto Madagasikara. Miisa 18 ireo « blocs » niasa ny taona 2018, lasa 10 izany ny taona 2019, raha 6 ny taona 2020. Mihatakona eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny Nosy malagasy rehefa naato ny fitrandrahana solika nanomboka ny 2019. Voafetra ny fampivoarana ny sehatry ny […]
Mois : mars 2024
Taolagnaro – zep : hamokatra zana-trondro 5 tapitrisa isan-taona
Fanamby apetraky ny fanjakana ny hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny hamorona asa ho an’ny tanora hampandrosoana ny toekarena isam-paritra. Napetraka ao Manatantely, kaominina Soanierana, distrika Taolagnaro, faritra Anosy, ny vatofototra an’ilay “zone d’émergence piscicole de (ZEP) Manatantely. Tetikasa entina hamokarana zana-trondro 5 tapitrisa isan-taona sady hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. […]
Fananantany : karatany 6 987 voazara tao Toamasina II
Laharam-pahamehan’ny fanjakana ny fizarana karatany ho an’ny Malagasy manerana ny Nosy entina hampandrosoana ny firenena. Karatany 6 987 no voazara ho an’ny mponina tao Toamasina II, ny faran’ny herinandro teo. Mitohy hatrany ny hetsika fizarana karatany sy bokin-tany ataon’ny fitondram-panjakana manerana ny Nosy. Anisan’ny nisitraka ny tetikasa ny faritra Atsinanana. […]
Antoko Arema: “Hamafisina ny fampianarana lalàna”
Naneho ny heviny manoloana ny tranga fanolanana ny eo anivon’ny Arema. Nambaran’ny sekretera nasionaly, Ratsiraka Annick, fa mahazo vahana izany izao. “Ilaina ny fampiharana sy fampahafantarana ny lalàna. Tsy ijerena tavan’ olona koa anefa ny fampiharana izany. Tokony hofaizina ireo tratra nanao ny tsy mety”, hoy izy. Nanamarika ny 8 […]
Hetsika Tokobe : nanamafy firaisankina ny Zanak’Isandra
Nanatanteraka ny hetsika Tokobe tao Isorana ireo Zanak’Isandra, ny herinandro teo. Fotoana nanamafisan’izy ireo ny firaisankina. Vory lanona tao an-drenivohitry ny distrika ny solontenan’ny fokontany 104, mandrafitra ny kaominina 13 any an-toerana. Nanatrika ny hetsika Tokobe, notontosaina ny faran’ny herinandro, izy ireo. “Porofointsika fa mandala ny firaisankina sy ny fihavanana […]




