Nanajary ny zaridaina sy tokotany niaraka tamin’ ny mpiara-miasa rehetra, ny faran’ny herinandro teo, ho fanatsarana ny tontolo iainana eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny ekipa notarihin’ny minisitra. Tamin’ny alalan’ny Tagnamaro no nitondrana ny hetsika izay ohatra tsara horaisina amin’ny fikajiana ny tontolo manodidina sy ny […]
Mois : mars 2024
Toamasina : nahatsiaro ho voailika ny vehivavy sasany
Nahoraka ny fankalazana ny Andron’ny 8 marsa tao Toamasina. Ambohi-pihaonan’ny vehivavy maherin’ny 15000 izay avy amin’ny lafivalon’ny Nosy izany. Efa nitodi-doha namonjy fodiana ny ankamaroan’ny mpizaika. Indrokely, nanomboka nampiaka-peo kosa ny tompon-tanàna. Mizara ny fahasorenany ny renim-pianakaviana sasany sy ny fikambanam-behivavy maro. “Natao fitaovana hanamaro olona eo anoloan’ny araben’ ny […]
Oniversiten’i Toamasina: efa vonona ny BTR ho an’ny mpiasa
Nitafa mivantana tamin’ny filohan’ny oniversite, ireo mpampianatra sy mpandraharaha ary ny mpianatra tao Barikadimy, ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny herinandro lasa teo. Laharam-pahamehana nandritra ny fitsidihana ny fametrahana ny filaminana sy ny fitoniana eo anivon’ny oniversite. Nohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sy […]
Aretina bronchiolite : tonga aloha ny vanim-potoana mampirongatra azy
Tsy mahafaty ny aretina mpahazo ny zaza, bronchiolite, raha voaray an-tanana ara-potoana ny fitsaboana. Nanokatra sampam-pitsaboana ny zaza ny hopitaly Andohatapenaka. Tonga aloha tamin’ity taona ity ny fiparitahan’ny aretina bronchiolite mpahazo ny zaza madinika, vao teraka hatramin’ny 12 volana. « Mivoatra izany raha ny zava-misy ao amin’ny hopitaly mikarakara ny reny […]
Amboaran’ny FC Copain: lasan’ny Vétéran FC ny omby
Nifarana omaly, tetsy amin’ ny kianja Travaux Public Ala-robia, ny fankalazana ny faha-18 taonan’ny FC Copain. Nanakatonana izany ny famaranana ny “Tournoi” baolina kitra lalaovin’olona 7. Nandrombaka ny amboara sy ny omby mifahy, ny Vétéran FC Ampatsakana, rehefa nandresy ny 2FC Alarobia tamin’ny isa tokana 1 no ho 0. Baolina […]




