Mois : mars 2024

Clarisse Ratsifandrihamanana : navoaka omaly ny boky « Ikalomanga »

Na efa tsy eo intsony aza i Clarisse Ratsifandrihamanana. Misy hatrany ny fivoahan’ny sanganasany. Iray amin’ireny ny boky mirakitra ny tantaran’« Ikalomanga », navoaka omaly. Notontosaina, omaly, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny fa­moahana tamin’ny fomba ofisialy ny boky « Ikalomanga », sanganasan’i Clarisse Andri­amampandry Ratsifandriha­ma­nana. Ny taona 1967 no nanoratan’ity andrarezin’ny asa soratra malagasy […]

FANTINA sy FINTINA

Nampita hafatra amin’izao Herinandro Ma­si­na izao ny eo anivon’ny FFKM. “Miantso antsika mba handini-tena sy hanamafy ny fifandraisana amin’ Andria­manitra”, hoy izy ireo. Nanterin’ny fiangonana fa tsy tokony hiraviravy tanana na eo aza ny hasarotry ny fiainana sy ny tsy fandriampahalemana. Miahiahy amin’ny fomba fiasan’ny Ceni, Ratsietison Jean Jacques, eo […]

Fifidianana depiote: afaka mitaraina raha lavina ny dosie

Eny amin’ny Rafitra fanamarinana sy fandraketana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina (Ovec) eny amin’ny vaomieran’ny fifidianana, eny amin’ny distrika, no fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra eny anivon’ny Ceni, ny amin’ny fiatrehana fifidianana depiote amin’ny 29 mey. Manomboka anio amin’ny 9 ora ka hatramin’ny 8 avrily amin’ny 5 ora hariva […]

Lalao madio !

  Manomboka anio ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidina ho an’izay maniry ho solombavambahoaka. Midika izany fa roso tsa mipody koa ny fanoloana ireo eny Tsimbazaza. Hatreto, milamina ny zava-drehetra, na efa misy aza ny ady saritaka any anaty antoko sy fikambanana isan-karazany any. « Tsy manakana ny omby tsy ho […]