Mois : mars 2024

Rivodoza Gamane: hipaka ao Sava, anio

Nahazo anarana Gamane, omaly, rehefa nahafeno fepetra ilay androratsy ao avaratra atsinanan’ny Nosy. Efa « forte tempête tropicale » ny sokajin’io rivodoza io, omaly, araka ny fanazavan’ny Foibe mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Mikisaka miadana mianavaratra andrefana izy ka mahafaka 5km isan’ora. Manangona hery any an-dranomasina hatrany ity rivodoza ity […]

Fanjarian-tsakafo eny ifotony: tombanana ny asa vita, hanatsarana ny paikady

Zaza latsaky ny 5 taona efatra amin’ny 10 no tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka, ho an’ny antontanisa nasionaly. Zaza enina amin’ny 100 kosa no voan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ary miovaova isaky ny faritra ny tarehimarika. «Any Androy, Atsimo Atsinanana, Mena­be no tena ambony ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ». Io […]

TARATRY ny KANTO

Hotontosaina, anio, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fampiofanana dihy « Perfect Your Dance ». I Axelle sy i Orlane, mpandihy manana ny maha izy azy no hizara ny traikefany mandritra izany. Hetsika iarahan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena miasa amin’ny federasiona malaga­sin’ny dihy ara-panatanjahantena. Hotanterahina any Algérie, ny 15 […]

Inter-Médias 2024 : hanomboka ny 3 mey izao ny fifaninanana

Hotanterahina ny 3 sy ny 4 mey ho avy izao ny fifaninanan’ ireo orinasan-tserasera, Inter-Médias 2024, “iray eny an-kianja”. Araka ny fanazavana nataon’ireo mpikarakara eo anivon’ny Ordre des journa­listes de Madagascar (OJM), omaly, teny Ambohidahy, man­doa lelavola 60 000 Ar avy ireo ekipa mandray anjara amin’izany. Taranja roa no hifaninanan’ […]