Mois : mars 2024

Andriantsitohaina Naina : natao boky ny asa vitany tamin’ny naha ben’ny Tanàna azy

Anisan’ny olon’ny fangaraharana ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana, Andriantsitohaina Naina. Navoakany ho boky ireo zava-bitany nandritra ny naha ben’ny Tanànan’Antananarivo azy. Voarakitra anaty boky ny tatitry ny asa vita rehetra nandritra ny efa-taona nitantanan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Reni­vohitra, teo aloha, Andrian­tsitohaina Naina. Nampaha­fantariny tao amin’ny tamba­jotran-tserasera “Facebook” […]

Tselatra

Mpivady niharan’ny fanendahan’ny jiolahy teny Anosizato Andrefana, afakomaly hariva. Avy niala taxi-be izy ireo no nifanehatra tamin’ny mpanendaka. Voatsatoka antsy teo amin’ny tanany ilay raim-pianakaviana raha naratra voadaroka teo amin’ny lohany kosa ny vadiny. Lasan’ireo jiolahy ny finday sy ny vola. Tratran’ny fokonolona i Lesabotsy sy Sambadahy, jiolahy roa mpamerin-keloka, […]

RN2: mpanampy mpamily maty voahosin’ny kamiao

Lehilahy iray 24 taona no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, tao Analamiorika, kaominina Antsampanana, distrikan’i Brickaville, afakomaly. Maty teo amoron-dalana ny fiara iray mpitatitra entana. Tampoka, nifandona ireo kamiao lehibe ka nifatratra ivelan’ny arabe ny iray. Voadona tamin’io fotoana io ny mpanampy ny mpamily kamiao […]

Miarinarivo: mpanolan-jaza naiditra am-ponja

Notanana vonjimaika am-ponja, miandry ny fotoam-pitsarana azy, ilay lehilahy nanolana ankizivavy 14 taona tao amin’ny fokontany Ampaisokely, kaominina Miarinarivo, afakomaly. Nanamparany ny filan-dratsiny io zazavavy tsy ampy taona io, tamin’ny 11 marsa lasa teo. Mpitaiza ilay zaza no asan-drangahy. Nanararaotra nanao ny filan-dratsiny ity farany rehefa tsy tao an-tokantrano ny […]

Ankerabe – Maintirano: lavon’ny dahalo ny G2C Ramilave

Maty voatifitry ny dahalo tao amin’ny fokontany Ankerabe, kaominina ambanivohitr’i Bemokotra, distrika Maintirano, omaly maraina, ny zandary kilasy faharoa (G2C) Ramilava.  Avy ao amin’ny andiany faha-74 izy.  Efa ho iray volana latsaka izay, nisy trangana fanafihana notarihin’ny dahalo raindahiny, fantatra amin’ny anarana hoe Fido, tao an-toerana. Olona iray voatifitra ka […]