Mois : mars 2024

Redombe bagasy : hifampizara traikefa ny SGB

Hifamotoana, anio, etsy amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola ny Sehatra Bagasy (SBG). « Atrikefa bagasy », hizarana ny sanganasan’ireo mpamoron-kira hohiraina mandritra ilay fampisehoana « Redombe bagasy », hotanterahina ao amin’ny CCEsca Antanimena, ny 25 mey ho avy izao. Fampisehoana an-tsehatra lehibe ho an’ny tontolon’ny bagasy ny « Redombe bagasy », raha tarafina amin’ireo mpanakanto […]

Fampirantiana haikanto: maro ny hetsika manome lanja ny vehivavy

Ankoatra ireo any amin’ny sehatra hafa, mikarakara hetsika maro, entina mankalaza ny andron’ny vehivavy koa ny vehivavy mpahay kanto. Anisan’izany ny fampirantiana hosodoko sy asa soratra, izay samy vehivavy avokoa no manao azy. Miranty eny amin’ny Lapan’ny tanànan’ Ana­­lakely, nanomboka omaly hatramin’ny 10 marsa 2024, ny asa tanan’ireo vehivavy mpahay […]

FANTINA sy FINTINA

3,92 % ny taham-pitomboan’ny isan’ny mpifidy, rehefa naravona ny lisitry ny mpifidy fanampiny sy izay nesorina, araka ny tatitry ny Ceni notarihin’ny filohany, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly. Hatao ny 15 mey kosa ny fandrafetana ny rejisitra amin’ny fifidianana. Tetikasa telo no niaraha-nanao sonia teo amin’ny praiminisitra sy ny […]

Filoha Rajoelina Andry : mandray anjara amin’ny “Antalya Diplomacy Forum 2024”

Anisan’ny miatrika ny “Anta­lya Diplomacy forum 2024”, any Torkia, ny filohan’ny Re­poblika malagasy, Rajoelina Andry. Omaly no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, tao amin’ny Nest Convention Center izay fihaonana izay. Filoham-pirenena sy filoham-panjakana miisa 19 no mandray anjara amin’izany ary manodidina ny 73 ny minisitry ny Raharaham-bahiny. Fampiroboroboana ny diplomasia mandritra ny […]