“Mila amboarina ny fitsipi-dalao momba ny demokrasia eto Madagasikara. Tsy mety raha izao rafitra voageja izao no hanaovana fifidianana, fa lasa haingon-tsehatra ary hampiasain’ny fitondrana fotsiny ny tena: tsy mahazo ny maro anisa”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny Teza, Rakotoamboa Jean-Louis, momba ny fiatrehana fifidianana depiote amin’ny 29 mey. […]
Mois : mars 2024
Tsena ZLECAF : hitombo 10 tapitrisa dolara ny fanondranana entana
Nikarakara fivoriana ampitain-davitra ny masoivohon’i Royaume-Unis eto Madagasikara, David Ashley, ny 22 febroary teo. Noresahina ny tombony hidiran’i Madagasikara ao anatin’ny Faritra fifanakalozam-paritra malalaka aty amin’ny kaontinanta afrikanina (ZLECAF). Niaraka nikarakara tamin’ny masoivoho britanika ity fivoriana ity ny vondrona mpandinika « Overseas Development Institute » (ODI), manana ny foibeny any Londres. Nandray […]
INDRAY MIJERY
Tontosa ny atrikasa mahakasika ny tari-dalana momba ny fanabeazana sy ny sehatry ny asa, tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny Lycée moderne Ampefiloha. Natao izany ho fanampiana ireo mpianatra tsy mbola mahalala ny lalam-piofanana tokony haleha aorian’ny bakalorea na eo am-pitadiavana tanjona amin’ny fiainana ary ho an’ireo nahavita fianarana. Nisitraka fanentanana […]
fikambanana Fitia sy ny UNFPA : miara-miasa amin’ny ady amin’ny herisetra
Nitsidika ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ ny fikambanana Fitia ary tompondaka amin’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy (VBG), Rajoelina Mialy, ny solontenan’ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA), Josiane Yaguibou, tamin’ity herinandro ity. Nidinika ny fiaraha-miasa ho an’ny taona vaovao sy ny hetsika […]
Herisetra amin’ny vehivavy: Ampirisihina hitoroka ny vavolombelona
Entanina ireo olona mahita trangana herisetra mianjady amin’ny vehivavy eny anivon’ny fiarahamonina mba ho sahy hitoroka eny amin’ny tomponandraikitra ahafahana mandray ny fepetra. Nisongadina izany nandritra ny fanazavana nentin’ ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, Razananaivo Rindra, omaly, tetsy Ankorondrano. Voafaritry ny lalàna ny fitazomana ny tsiambaratelon’ny […]




