Mois : mars 2024

Fikorontanan-tsaina : mahafehy ny fandraisana an-tanana eny ifotony ny CSB

Araka ny tatitra navoakan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), ny taona 2019, nahatratra 1 miliara ny olona tratran’ny fikorontan-tsaina ary ny 14% amin’ireo adolantsento avokoa. Antony mitarika amin’ny fahafatesana iray amin’ny tranga 100 maneran-tany ny famonoan-tena izay miseho mialoha ny faha -50 taonan’ilay olona. Olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 10 marsa 2024, eny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny “Artistes au natur’elles”. Fam­pirantiana manasongadina ny faniriana sy ny filana hampiroborobo ny tantara, ny tontolo ary ny nofinofin’ireo vehivavy mitondra avo ny lokon’ny zavakanto eto Madagasikara. Atrikasa mahakasika ny “Hachures”, izay anisan’ny fototry ny fanaovana sary, no […]

Ady amin’ny herisetra an-tsekoly : naseho voalohany ny sarimihetsika “Le carnet”

Naseho omaly, tetsy Anosy, ireo fitaovana avy amin’ny fikambanana Imaso Ivoho Madagasikara. Izay enti-manentana ny mpisehatra rehetra eny anivon’ny sekoly, manoloana ny herisetra. Anisan’ny naseho teny an-toerana ihany koa ny horonantsary “le carnet”, notontosain-dRasoanaivo Anjama­malala, mpanatontosa. Entina hanehoana ireo karazana herisetra an-tsekoly amin’ny endriny maro sy ny fiampitan’izany amin’ny fidorohana […]

Harembakoka any Taolagnaro: hatsaraina hisintona mpizahatany ny Pic St Louis

Tontosa ny fifanaovan-tsonia fifanarahana. Havaozina mba hisarika mpizahatany bebe kokoa ny Pic Saint Louis, harembako-pirenena mampiavaka ny faritra Anôsy. Ny kolontsaina no fanoitra ho an’ny fampandrosoana. Voamarina izany rehefa misy tetikasa mipaka eny ifotony, mitondra fivoarana ho an’ny mponina sy ny fiarahamonina. Anisan’ireny ny fa­navaozana izay entina ao amin’ ny […]

FILOHAN’ny Mpihiragasy: Ranaivonantenaina Tojo

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny hiragasy Ampefiloha, ny fifidianana ny filohan’ny federasion’ny Mpihi­ra­gasy eto Madagasikara. Miisa 5 ireo nofidina: Ranai­vonantenaina Tojo ­(Am­ba­tonapoaka), Ratovoelison Jean Baptiste (Arivonimamo), Rabemanantsoa Valomanana (Fenoarivo), Florent Ran­driamarolafy (Manalalondo) ary Ramanankarivo Jean José (Sahondrafinina zanany). 109 ny mpifidy voasoratra anarana ka ny 107 tamin’ireo no tonga nandatsa-bato. Lany […]