Mois : mars 2024

Faribolana Sandratra : nahatanteraka ny fanambiny

Hoy Ranoe : «Iainan’ny Faribolana Sandratra ny teny mba hanamasina ny taniny amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny literatiora». Raha io nambaran’ity mpanoratra anisan’ny nanorina ny Fari­bolana Sandratra, tany amin’ ny 35 taona lasa, io no iaingana ho fanamby. Nahatan­te­raka izany ny «mpiraifaribolana» nandritra ny Zarafanahy ma­no­kana sy ny Alimbetso no­tan­terahina ny sabotsy […]

Fampisehoan’i Niu Raza: niavaka tamin’ny fampianaran-kira ireo mpankafy tonga nanatrika

Tontosa omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana nataon’ny mpanakanto NiuRaza. Tonga maro nankafy izany ireo tanora lahy sy vavy. Nankafizin’ny maro ny hira nentiny an-tsehatra izay nampafana ny seho nandritra ny fizarana roa nifanesy. Toy ny “arendrina taratasy”, “only one”, “sipan’ Antananarivo” (nampandihy ny mpankafy rehetra), “ampy izay”, “Madagascar”… […]

FANTINA sy FINTINA

Nampahafantarina omaly, tany Toamasina, ny kandidàn’ny Firaisankina, hiatrika ny fifidianana depiote ho an’iny faritany iny. Nitarika izany ireo lehiben’antoko, toy ny HVM, Tim, Tsara Tahafina. Anisan’ny mbola kandidà, Razara Pierre Fidel, Rabekijana, i Tody Arnaud… Hita taratra ny fiaraha-mientana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpikambana vovonana, araka ny nambaran’ny filoha […]