Mois : mars 2024

HCDDED : voafidy ho filoha Ranadialison Angelo

Nanao ny fivoriambe voalohany, omaly, ny mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambony ho an’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED). Voafa­ritry ny lalàna fa hanatanterahana ny fifidianana ny handrafitra ny birao izany. Voafidy ho filoha, Ranadialison Angelo. Mpitsara, natolotry ny HCC ny tenany. Filoha lefitra kosa, Ramarosaona James, solontena […]

Lanja miakatra

  Tsy misy tsy miakatrakatra amin’izao fotoana izao? Mby an-tsaina voalohany amin’izany ny vidim-piainana. Tsy mety ho voafehy tanteraka? Lanja miakatra tsinona ny fiainana. Na tsy misy vidim-piainana midina izany, araka ny fitenin’ny mpanatsotra resaka. Na lazaina ho marin-toerana na voafehy aza ny vidim-piainana, tsy mahasehaka izany ny fahafa-mividy: kely […]

Fitakian’ny mpirakidraharaha fitsarana: manome fe-potoana herinandro ny sendikà

Vary mangatsiaka? Raharaha tsy mbola vita ny fitakian’ny mpirakidraharaha fitsarana… “Miandry valiny ao anatin’ny fotoana fohy izahay amin’ireo fitakiana ataonay ireo. Raha tsy izany, hisy ny fivoriambe tsy ara-potoana hanapahanay ny tohin’ny hetsika henjana hataonay”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha fitsarana eto Madagasikara (SGM), Randriamaharo Alain Michel, teny Anosy, […]

TSELATRA

Folo mianadahy mpamboly rongony sady mpivarotra tratran’ny zandary tao Maroamalona, fokontany Mahatsara Ambony, kaominina Anaborano-Ifasy, afakomaly. Rongony tamin’ny gony nilanja 1 000 kg niampy 1 200 fototra no sarona tao amin’izy ireo. Tovovavy tsy ampy taona am-polony voasambotry ny polisim-pirenena tao Taolagnaro, afakomaly alina. Noraisim-potsiny tao amin’ny trano fandihizana miisa telo sy […]