Nambaran’ny filohan’ny holafitry ny infirmiera, Andrianarison John na i John Love fa sarotra ny ady manoloana ireo misandoka ny asan’izy ireo. Efa miparitaka izy ireny nefa tsy nianatra ny momba izany akory. Tsy azo ekena izany satria saro-pady ny fahasalamana ka mahasarotiny, araka ny nambarany. “Efa nisy ireo tratra. Nampahafantarina azy ireo ny tokony ataony afahany miasa ara-dalàna. Mifampiresaka aloha vao miroso amin’ny sazy izahay. Ataonay ambony ny fihavanana”, hoy izy. Nisaorany ny minisiteran’ny Fahasalamana amin’ny torolalana sy ny fanampiana ny holafitra. Nentaniny kosa anefa ireo infirmiera mba hisoratra eo anivon’ny holafitra avokoa. Tsy voatery ho mpiasam-panjakana avokoa izy ireo fa eo ireo miasa ho an’ny tenany, araka ny nambarany hatrany. Miisa 45 000 ny isan’ny infirmiera nefa 20 000 ihany ireo misoratra ara-dalàna ao amin’ny holafitra. “Entanina ireo nivoaka ny sekoly hiditra hiaraka aminay. Tokony harahi-maso koa ireo ivon-toerana sasany fa tsy ara-dalàna. Entanina ny tomponandraikira hijery izany fa manimba ny asanay…”, hoy ihany izy. Notsindriny fa anisan’ny ain’ny fahasalamana ny infirmiera hatreny anivon’ny CSB ary mitana andraikitra lehibe izy ireo.
Fanomezan-kasina ireo tia tanindrazana
Ankoatra izany, nitondrany ny heviny ny momba ny 29 marsa teo. Nambarany fa mametraka ho ambony ny ady sy ny hasin’ireo mpitolona tia tanindrazana ny filohan’ny Repoblika. Manohy sy manome haja ny nataon’ny teo aloha. “Mamaha ny olana sy manohy ny ady amin’ny fahantrana. Mandray an-tanana amin’ny fanampiana ireo ray amandreny”, hoy izy. Eo koa ny fidinana ifotony ataon’ny mpitondra manoloana ny voina nihatra amin’ny any avaratry ny Nosy. Efa mitondra vahaolana sy ny fanampiana izy ireo, araka ny nambarany.
Synèse R.




