FANTINA sy FINTINA

Hiroso amin’ny dinika fakan-kevitra faharoa momba ny fifidianana ny fitondrana. Hotanterahina ny 9 sy 10 novambra izao, eny amin’ny CCI Ivato, izany. Hatolotra amin’izany ny fandravonana ireo sosokevitra voaray sy ny dinika ho fanomanana ny fifidianana voalohany. Efa afaka maka ny fanasana momba izany ireo antoko sy fikambanana.

Noraisin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, ny avy amin’ny FFKM, afakomaly, teny Iavoloha. Noresahina tamin’izany ny fandrosoan’ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena. Teo koa ny fifampizarana ny momba ny olana amin’ny fanomanana izany. Nambaran’ny Filoha fa hatolotra ny governemanta ny famahana izany.

Tanora Malagasy miara-miainga (TMMM) miisa 80 no nahazo fiofanana ao amin’ny faritra Ana­lanjirofo, amin’ny alalan’ny Akademia MMM. Nisitraka ny fiofanana momba ny fandraharahana «Entrepre­neuriat» sy ny fahaiza-mitarika «Leader­ship» ireo tanora avy amin’ny antoko ireo. Natao ny herinandro teo ny famoahana azy ireo tany an-toe­rana.

Atomboy dieny izao ny fanomanana ny tena raha maniry ho mpitarika, araka ny nambaran’ny Kly Faneva, any Menabe. «Samy nanana ny fiandohany ireo hitantsika mijoro sy manana andraikitra ireo. Nandalo dingana maro: nianatra, niatrika sedra, niady mafy ary niezaka hatrany mandra-pahatongany amin’ ny toerana misy azy», hoy izy.

Partager sur: