Fifanakalozana teny mita sy fifanarahana fanolorana fanomezana roa lafy ho amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy teo amin’ny governemanta japoney sy ny governemanta malagasy. Ireo no natao sonia teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly. Andaniny, notronin’ny mpiandraiki-draharaha japoney sady mpisolo toerana vonjimaika ny ambasadaoro japoney, i Yamada Shigechika sy ny solontena maharitry ny Jica eto Madagasikara, i Odawara Kosuke izany. Ankilany, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny Dr Ramirison Herinjatovo Aimé, notronin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i N’Diaye Alice.
Mahatratra 300 tapitrisa Yens na 8,6 miliara Ar ny vola ho an’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany amin’ny fomba maoderina. Miaraka amin’ny fampitaovana hary fomba toy ny fiatrehana ny rayons X, ohatra, amin’ny fitrandrahana, ny fahazoam-baovao marina sy azo antoka momba ny otrikarena an-kibon’ ny tany tsy mbola voatrandraka… Noho izany tetikasa izany, afa-kampiasa izany ireo mpianatra sy mpikaroka ary injeniera eto an-toerana. Hahazoana mampiofana mampahaizana manokana izany, manatevina ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany…
Nambaran’ny mpiandraiki-draharaha japoney, i Yamada Shigechika, fa ao anatin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy 2026 ny fanaovan-tsonia, zava-dehibe eo amin’ny fifanarahana roa lafy amin’ny sehatry ny haren an-kibon’ny tany. Manana izany ho amin’ny fampandrosoana i Madagasikara toy ny “nickel” sy ny “cobalt”. Mandroso ao anatin’ny fifampitokisana ho amin’ny fampandrosoana maharitra ny fiaraha-miasa eo amin’i Japon sy i Madagasikara, araka ny nambaran’ny minisitra N’Diaye Alice. Tsy eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ihany, fa eo ny fanorenana fotodrafitrasa, fambolena…
R. Nd.





