Hitsingerina ny 25 septambra izao ny tolona notarihin’ny Gen Z. Hisy ny hetsi-pahatsiarovana izany izay miteraka tsy fitoviam-pijery amin’ireo ankolafin-kery isan-tsokajiny.
Rindran-kira ara-pilazantsara, fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana… Hetsi-pahatsiarovana ny tsingerintaon’ny tolona 2025 ireo. Eo koa ny fandraisam-pitenenan’ireo tomponandraiki-panjakana, ny tsiahin’ny zava-nitranga, ny diabe Antanimbarinandriana-Kianjan’ny 13 mey. Hisy koa ny fitokanana takela-pahatsiarovana, ny “village citoyen” ho an’ny tanora izay fanabeazana olom-pirenena ny amin’ny fanavaozana: fanjakana tan-dalàna, fifidianana, tontolo iainana, fanabeazana ara-politika… Manampy ireo ny valandresaka hiresahana ny tantara sy ny teknolojia ho an’ny mpianatra. Santionan’ny hetsika ireo… Nefa tsy mitovy ny fijery.
Samy manana ny heviny
“Tsy mahamaika ny hetsika fa tsy mbola tanteraka ny androatokon’izay notakina”, hoy ny filohan’ny Teza, Rakotoamboa Jean-Louis. Ny fanarenana ny toekarena sy sosialy izao no maika: fandriampahalemana… “Tokony hahay haka lesona ny mpitondra mifandimby. Tsy tokony hisy intsony ny tolona, raha mahay mihaino vahoaka ny mpitondra”, hoy ny filohan’ny RPSD, Andriantsizehena Benja Urbain.
“Tsy fotoan’izao raha mitarika fandaniana ny hetsika”, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert. Ao anatin’ny fahasahiranana ny firenena. Tokony hifantohana izay tena mila fandaniana. “Efa tonga amin’izay neritreretina ve izao sa mbola maro ny alahelo na fahadisoam-panantenana?”, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard. Maro ny miandrandra tena fanavaozana. Mila fandanjalanjana izay atao. Tsy mbola vita ny tolona…
“Tsy tokony hatao ny hetsika rehefa tsy hitera-bokatra. Ny famahana ny olana navelan’ny teo aloha no maika: jiro sy rano, fandriampahalemana… Mila hampirisihana handray andraikitra ny vahoaka: fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana, fandoavan-ketra… “, hoy ny olom-pirenena iray, nilaza fa maro anisa mangina.
R. Nd.




