Mampahatsiahy hatrany ny FFKM fa tsy fivoriana fotsiny ny dinika nasionaly. Fomba iray hifampihainoana sy hiaraha-midinika mba hitadiavana vahaolana maharitra ho an’ny firenentsika, araka ny nambaran’izy ireo, omaly. « Fomba iray hanamafisana ny fiombonam-pirenena sy ny firaisankina io. Aoka isika handray anjara sy hiara-kanorina », hoy izy ireo.
Nohitsin’ny RCR, tarihin-dRazafiarison Laza, fa fanovana no notakina teto. Tsy misy resaka fanavaozana izany ka tena diso lalana isika, araka ny nambaran’ny mpandrindra ny RCR, Analamanga, Raharitsifa Andry. Na izany aza, naneho fahavononana izy ireo hiara-kiasa sy handray andraikitra amin’ny rehetra.
Politika tsy maika hitady seza ny an’ny « Bandeau rouge », araka ny nambaran’ny mpitarika, Ralaivahiny Frerot. Na izany aza, nokianina ireo efa nahazo toerana. «Tsy azo ekena ny fanilikilihana. Aoka tsy hitondra fanakorontanana ireo nahazo seza», hoy izy. Niantso ny VFM sy ny FFM ary ny hafa izy ireo tsy hifandrafy.
Tsy fahotana ny manohana olona mitondra fampandrosoana eto amin’ny firenena, araka ny nambaran’ny filoha lefitry ny VFM, Rakotoniaina Pety, tany Mahajanga. Nanteriny fa izao fitondrana izao no nahavita nanome alalana sy nanampy ara-bola ho amin’ny fanadihadiana parlemantera. « Tsy depioten-dRajoelina izahay fa an’ny vahoaka… », hoy izy.




