Fikaonandohan’ny antoko : Mitaky ny hanavaozana ny sehatra ny MMM

Nitohy tany Manakara indray ny fikaonandoham-paritry ny antoko Malagasy miara-miainga, ny faran’ny herinandro teo. Hentitra ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, ary mbola nanamafy hatrany fa ilaina ny fametrahana faritra mahazaka tena hipetrahan’ny tena fampandrosoana. Tsy tokony hijanona eo fotsiny anefa izany, fa ilaina miara-dalana amin’izany ihany koa ny fanatanterahana ny voalazan’ny lalàna momba ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandraisana andraikitra ny tsirairay, araka ny nambarany. Natsidiny ihany koa ny dingana hotanterahina. « Takina ary tena ilaina ny firosoana amin’ny fanavaozana ireo sehatra rehetra eto Madaga­sikara », hoy izy. Notanisainy amin’izany ny sehatry ny fananantany, ny rafi-pitsarana, ny fandraharahana ary ireo sehatra hafa.
Nialoha izany, nitaraina sy nitondra ny hetahetany ireo niatrika izao fikaonandoha izao. Anisan’izany ny olan’ny lalana, ny fanaovana fitaovana ny tanora sy ny vehivavy, ny fanatsarana ny fambolena. Eo koa ny momba ny fananantany. Samy nitondrana valiny sy fifanakalozana avokoa izany. Hoentina any amin’ny fikaonandoham-pirenena avokoa ireo hevitra voahangona.
Tsiahivina fa maro ireo niatrika izao fikaonandoham-paritra izao. Anisan’izany ireo tangalamena, tanora sy ny vehivavy, ireo mpiasa misotro ronono, olon-tsotra sy mpandraharaha…

Synèse R.

Partager sur: