Ceni : “Mila marina amin’ny kandidà ny Ovec”

«Ny fanajana ny fahamarinana no soatoavina mifehy antsika, fanajana ny lalàna mifehy antsika amin’ny asan’ ny Ovec tontosaintsika izany”. Io ny hafatry ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, ho an’ireo mpikamban’ny Rafitra fanamarinana sy fandraketana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina (Ovec). Nandritra ny fidinana ifotony tany amin’ny faritra atsimo atsinanan’i Madaga­sikara, i Manakara sy i Vohi­peno ary i Farafangana, ta­min’ity herinandro ity, no nilazany izany. Amin’izay fahamarinana izay no ahitana ny asan’izy ireo fa tsy mitanila ary manaja ny didy aman-dalàna sy ny fahamarinana ny Ceni.

Tsiahivina fa nanomboka tamin’ny 27 marsa ny fandrasian’ny Ovec manerana an’i Madagasikara ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho depiote. Hifarana amin’ny 8 avrily amin’ny 5 ora hariva izany. Amin’ny 9 avrily no hamoaka ny lisitra ofisialin’ny kandidà ny Ovec. Raha misy ny tsy fahatomombanan’ny antontan-taratasy, afa-mampiakatra fitarainana any amin’ny Ceni foibe ny kandidà amin’­ny 10 ka hatramin’ny 12 avrily. Amin’ny 13 hatramin’ny 15 avrily kosa ny fitoriana eny anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), raha tsy mahafa-po ny kandidà ny valin-tenin’ny Ceni foibe. Amin’ny 16 avrily no hamoahan’ny Ceni ny lisitra kandidà ofisialy manerana an’i Madagasikara. Amin’ny 17 sy 18 avrily kosa ny fisarihana ny laharana amin’ny biletà tokana.

R. Nd.

Partager sur: