fifandanjan-kery politika : “Tsara raha mitsimbadika”

“Tsara raha mitsimbadika ny fifandanjan-kery eny anivon’ny Antenimierampirenena mba hahazoana manao fampielezan-kevitra ho an’ny mpa­nohitra, ohatra”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpamakafaka politika, Ralambo­mahay Toa­vina, manoloana ny fiatrehana ny fifidianana depiote. Ry zareo mpanohitra izao no hery matanjaka ao amin’ny An­te­nimierampire­nena satria nisy 105 depiote tamin’ny raharaha fanangonan-tsonia nangatahana fifidianana hanaovana fitsipaham-pitokisana ny go­ver­nemanta, ny desambra 2022. Tsy mbola fantatra hoe manohana an’iza ny filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha amin’ny fifidianana depiote: hiaraka amin’ny mpanohitra ve izy sa ho mpanohitra, na hanana ny azy manokana, na sanatria tsy hanao fifidianana, ohatra? Tena misy vokany ireny zava-nitranga taminy ireny.
Hamaly ny fanontaniana ny vahoaka malagasy amin’ny fifidianana solombavambahoaka amin’ny 29 mey. Mety ve ny fiainany nandritra ny 100 andro nitondran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, amin’izao fe-potoam-piasana faharoa izao? Raha nety sy nihatsara ny fiainany tao anatin’izay, raha nidina, ohatra, ny vidim-bary, menaka, siramamy: mety mbola hifidy izay miaraka amin’ny filoha Rajo­elina izy, na Mapar sy TGV. Raha tena mitontongana ny fiainany, simba ny lalana,sns: ho hita eo ny hevitry ny vahoaka.

R. Nd.

Partager sur: