Anisan’ireo nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny eny Avaradrano ny avy amin’ny Kolektifa ho an’ny Malagasy, Andrianainarivelo Hajo, sy ny lisitra faharoa, Ratavilahy Andry. Nambarany ny anton’izao fandraisan’andraikitra izao. “Tapaky ny vovonana ny hirotsahanay. Tsy mbola vita ny tolona ho amin’ny fanovana ka fanohizana ny efa natomboka tamin’ny taona lasa izao mba hisian’ny tena fanovana”, hoy izy. Nambarany fa antom-pijoroan’izy ireo ny famerenan-kasina an’Avaradrano sy Antananarivo ary i Madagasikara. Nidina ambany dia ambany ny Renivohitra ary natao tsinontsinona koa ka vonona ny hijoro amin’izany ny zanak’Avaradrano. Ho amin’ny fihavanana mitondra any amin’ny fanovana izany, araka ny nambarany.
Nanterin’ny depiote am-perinasa eo anivon’ny vovonana, Andriambelosoa Naina, fa anisan’ny nahatongavana amin’izao firotsahana izao ny fanajana ny rafitra sy ny fandaminana ary koa ny fikatsahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Nanentana ny vahoaka handray andraikitra, ho tompony fa tsy ho mpitazana ary ho saro-piaro amin’ny safidiny ny Kolektifa.
Tsiahivina fa efa samy ben’ny Tanàna avokoa ireo kandidà telo hifaninana eny Avaradrano. Eo, Andriamosa Avotra avy amin’ny Firaisankina, eny Sabotsy Namehana sy Radafy Thierry na i Bota, ben’ny Tanànan’Ambohimangakely ary Andrianainarivelo Hajo, efa nitantana an’Ankadinandriana intelo miantoana.
Synèse R.




