Fenoarivo Atsinanana : hanangana ozinina manodina letisia

Mamokatra letisia ny any Analanjirofo. Manodidina ny 100 000 taonina isan-taona ny vokatra eto amintsika, nefa ny 20 000 t (20%) ihany no haondrana any ivelany. Nilaza ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra, Rakotondrazafy Fano, fa anisan’ny hananganana ozinina taninketsa indostrialy koa any Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo, ao anatin’ny tetikasa “Distrika iray, ozinina iray” (Odof). Hanodina ny letisia ho ranom-boankazo, sady hanamaina voankazo, hanarina ny fatiantoky ny tantsaha. Ham­pitombo vidy ny voankazo ihany koa izay lafo kokoa satria azo tahirizina.
Miisa 15 ny kaoperativa tantsaha hiara-kiasa amin’ny fanatanterahana ny Odof any Fenoarivo Atsinanana. Hitady ny lalambarotra ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra amin’ny famoahana ny vokatra.
Manodidina ny 60 ny ozinina Odof mitsangana manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao. Misitraka mivantana ny fisiany ny tantsaha any ifotony, satria misy ny orinasa afaka mano­dina ny vokatra any an-toerana.

Lin sy Njaka A.

Partager sur: