Minisitra Andriantsitohaina Naina : “Tsy hisy indrafo ho an’ny mpangalatra tany”

Nambaran’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andrian­tsitohaina Naina, fa ho henjana ny fepetra horaisina momba ny fananan-tany. “Averina amin’ ny Malagasy ny tany… Hie­zaka ny minisitera amin’ireo dingana samihafa ho amin’ny fanavaozana ny lalàna momba ny fananan-tany ka tsy hisy in­drafo ho an’ireo mangalatra tany”, hoy izy, omaly, tetsy Anosy. Nanteriny fa miala nenina aloha izao ny eo anivon’ny minisitera. Mbola misy ny fotoana ahafahana manarina raha azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny tany, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa notantera­hina, omaly ny hetsika ny “Am­pinga tany: Fananan-tany ho an’ny Malagasy, fanoitra ho an’ny fampandrosoana”. Nam­pahafantarana ny ezaky ny minisitera ho amin’ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny fananan-tany. Eo koa ny momba ny Drafitra momba ny satan-tany (Plof) ary ny hetsika fizarana karatany, iarahana amin’ ny tetikasa “Casef”. Narahin’ ny fanontaniana avy amin’ireo mpandray anjara rehetra izany. Niraisan’ny rehetra hevitra fa nandamina ny fiarahamonina sy nampihena ny ady tany ireo ezaka sy dingana natao. Nampanantena ny minisitra fa anisan’ny vahao­lana ny lalàna. Hatolotra ny fanjakana ny soso-kevitra voaangona. Nanteriny koa fa ilaina hatsaraina ny toe-tsaina sy ny fomba fiasa ary hamoraina ireo dingana rehetra mba hifandraika amin’ny filan’ ny vahoaka.

Synèse R.

Partager sur: