VAOVAO TAMBATRA

Miisa 5 ny milina « bloc moteurs » manodina herinaratra 75 MW, hanampy ny famokarana herina­ratra eny Ambohimanambola. Hahazo milina manana tanjaka 30 MW ihany koa ny any Toamasina, hanampy ny famokarana any an-toerana.

Haverina hiasa indray ireo foibe fandanjana fiara vaventy, eny amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Maro loatra ny tsy fanarahan-dalàna, tsy fana­jana ny fetra farany hoentin’ny fiarabe, izay tokony tsy mihoatra ny 40 taonina, nefa misy mahatratra 60 hatramin’ny 70 taonina izany, ka manafaingana ny fahasimban’ny lalana.

Hanana milina mamokatra herinaratra manokana avy amin’ny masoandro ny tetikasa Miami any Toamasina. Hampandehanana ny jiro, ny rano (jets d’eau) ity fotodrafitrasa mahaleo tena ity. Hanelanelana amin’ny fifandraisan’ny mpamatsy solika sy ny Jirama any Toamasina ihany koa ny fanjakana.

Nahazo birao vaovao ny Fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) any Fenoa­rivo Atsinanana. Fotodrafitrasa ahitana efitra 6, efitrano fivoriana 1, trano fidiovana. Misy koa trano fonenana manana efitra 3, lakozia ary fidiovana. Nitokana ireo ny filoha Rajoelina, omaly 19 avrily.

Partager sur: