FANTINA sy FINTINA

Manohy ny fomba ratsiny amin’ny fanerena ny mpiasam-panjakana ny mpitondra, araka ny nambaran’ny Solidarité syndicale, ny herinandro teo. “Taha­ka ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ihany izany ka hatao ny fomba rehetra hampandaniana ny kandidàn’ny laoranjy. Raikitra ny ramatahora sy ny famindran-toerana”, hoy izy ireo.
“Mijanona ho fampanantenana poakaty fotsiny ihany ireo asa lehibe nampanantenain’ny mpitondra”, hoy ny Diovy i Madagasikara. Anisan’izany ny « Fly over” sy ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN13 ary ny lalambe migodana. Anton’izany ny tsy fahaiza-mitantana. Eo koa ny tsy fananan’ny mpitondra fanjakana politika mazava.
Hitafa amin’ny mpanao gazety ao aminy foibe “QG”, boriborintany fahefatra, ny kandidàn’ny Fi­raisan­kina, Randriamasinoro Tahiry Ny Riana, anio ma­raina. Hanotrona ity kandidà laharana voalohany ity amin’izany koa ny avy amin’ny vehivavy Tim, faritra Analamanga. Hifamotoana eny amin’ny Galana Soa­nierana izy ireo.
Manahy korontana manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny PDS Antananarivo ireo mpivarotra sy ny mponina manodidina an’Analakely. “Anton’ izany ny fepetra noraisin’ny CUA tsy am-piheverana ka hametraka tsena eny amin’ny arabe amin’ny lalana Andrianampoinimerina sy Rabefiraisana iny”, hoy ny solontenan’ny mpivarotra.

Partager sur: