Fizalaotra : hanao tohivakana ny hetsika

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny Ivato, ny fampahafantarana sy fanokafana ny fankalazana ny faha-45 taona nijoroan’ny Fizalaotra. Nohamafisin’ireo nandaha-teny tamin’izany fa efa mijoro sy amperinasa ny komity mikarakara ity fankalazana ity.
Novelabelarina tamin’izany koa ireo hetsika rehetra ho­tontosaina. Anisan’izany ny fiaraha-mitsangatsangana sy ny fifaninanana samihafa eo amin’ny fanatanjahantena ary koa ny kolontsaina. Arahin’ny alim-pandihizana izany. Eo koa anefa ny hetsika sosialy, hotanterahina any amin’ireo distrika telo, ahitana an’Andilamena sy Amparafaravola ary Amba­tondrazaka.
Tsiahivina fa notolorana fanomezana, marika fahatsiarovana, ireo mpanorina ny fikambanana, ny filoha nifandimby ary ireo mpiara-miasa amin’ny fikambanana.
Etsy andaniny, miantso ny rehetra ny Fizalaotra mba hifanome tanana ho amin’ny tombontsoa iombonan’ny faritra Alaotra.

Synèse R.

Partager sur: