Praiminisitra : “Paikady vaovao no iadiana amin’ny tsy fandriampahalemana”

Nidina teny ifotony ny fitondram-panjakana ary nitondra vahaolana. Nambaran’ny praiminisitra Ntsay Christian fa ilaina ny fiaraha-miasa ho amin’ny fametrahana fandriampahalemana.

“Tsy maintsy apetraka ao anatin’ny fotoana fohy ny paikady vaovao entina hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’Anjozorobe sy ny distrikan’Ankazobe ary ny ma­nodidina”. Io no nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny fanomezana toromarika ireo tomponandraikitra sivily sy miaramila amin’ny fitandroana filaminana tamin’ny fidinana ifotony tany Anjozorobe sy Ankazobe, ny faran’ny herinandro teo. Nisy ny fivorian’ny OMC tao Amboasary Avaratra, Anjozo­robe, izay anisan’ny anjakan’ny tsy fandriampahalemana. Teo koa ny natao tao Ambo­lotarakely, Ankazobe, itrangan’ny fakana ankeriny matetika. Niaraka taminy ireo minisitra tomponan’antoka voalohany amin’ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Nandray anjara tamin’ny fihaonana ireo olom-boafidy, nahitana ireo ben’ny Tanàna sy ireo solontenam-panjakana foibe sy ireo tany ifotony. “Tsy nilatsaka avy any an-danitra ny olon-dra­tsy fa mivezivezy. Zava-dehibe tokoa ny fiaraha-miasa amin’ny va­hoaka mba hahazoan’ny mpitandro filaminana manao ny asany”, hoy ny Praiminisitra. Misy fandaminana vaovao ha­hazoana miady amin’ny tsy fandriampahalemana amin’izao. Nodinihina lalina ny zava-misy marina sy ny fototry ny olana rehetra ka napetraka ny paikady hiadiana amin’ny asa ratsy fakana an-keriny. Nana­marika ny rehetra fa vonona hanatanteraka ny adidy sy andraikitra manandrify azy avy ny tsirairay. Hohatsaraina àry ny fiaraha-misalahy amin’ny vahoaka hahazoana vaovao marim-pototra hisorohana sy hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana.

R. Nd.

Partager sur: