VHT : “Aoka tsy ho matin-kanin-kely isika vahoaka”

“Fanorenana ifotony an’i Madagasikara ny an’ny VHT. Satria mitotongana tanteraka ny raharaham-pirenena sy ny fanaovana politika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Vonona hijoro ho an’ny tanindrazana (VHT), Razana­koto Norbert, amin’ny fisian’ny fanambatambazana vahoaka amin’ny fizarazarana fanomezana na fanampiana mandritra ny fampielezan-kevitra amin’izao fiatrehana fifidianana depiote izao. Ny fifampiresahana no hanafoanana an’izay fa tsy tokony hisy intsony izay fizarazarana zavatra sy fanambitambazana vahoaka amin’ny fampielezana-kevitra izay. Fanaovana tsinontsinona sy fanabarabarana vahoaka izany. Tokony mba ho an’ ny tena sosialy sy vahaolana maharitra atao, fa tsy vonjy ta­vanandro toy izany.
Be dia be ny zavatra mi­tranga eto amin’ny firenena, ary maro ny zavatra efa hita: aza amidy amina fanomezana kely madinidinika izay hisolo tena na hisolo vava ny tena mandritra ny dimy taona amin’ ny fizarana zavatra maro sa­mi­hafa, araka ny nambarany. Ny zava-mahagaga, hay ny manambitamby ny vahoaka amin’ny fizarana zavatra maro samihafa amin’ny firotsahan-kofidina. Rehefa voafidy eo amin’izay, hadino ny vahoaka. “Izay koa no ian­tsoana ny vahoaka tsy ho matin-kanin-kely toy ny amalona, fa hijery izay tokony hotohanana”, hoy izy. Rehefa avy eo izy, any amin’izay no mitankisinkisina milaza izay hetaheta tokony hotanterahina. Izay no tokony hifampiresahana.

R. Nd.

Partager sur: