Fandresena lahatra ny mpifidy: tsipahin’ny KMF/Cnoe ny fizaram-bola

Namoaka fanambarana manoloana ny tokony hametrahana fifidianana tan-dalàna ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, omaly. Hentitra izy ireo fa mitsipaka marindrano ny fanohintohinana ny fahalalahan’ny rehetra hisafidy amin’ny fizarana vola sy fitaovana hahazoana ny safidiny. “Tahirin-kevitra momba ny fifidianana ihany no azo zaraina mandritry ny propagandy, araka ny voalazan’ny lalàna”, hoy izy ireo. Nohitsin’ny KMF/Cnoe fa aoka ialana ny fitaka sy ny lainga ary ny fampihorohoroana. Hevitra sy ny anjara birikin’ny kandidà hampandrosoana ny firenena no tokony hatosaka, araka ny fanambarana.
Nampahatsiahy ireo filoha sy mpikambana amin’ny Andrimpanjakana samihafa koa izy ireo ny amin’ny tsy tokony hampiasana ny fitaovam-panjakana. Anisan’izany ny olona, fiara…
Nitodika amin’ny mpikarakara ny fifidianana ny KMF/ Cnoe mba hanaja ny lalàna sy ny feon’ny fieritreretana ary mba ho antoky ny fangaharaharan’ny fifidianana. Tokony hanaja ny sata mifehy azy koa ireo mpiasam-panjakana ka tsy hiandany amin’ny fampielezan-kevitra. “Aoka hampiharina amin’ireo mpiasam-panjakana tsy manara-dalàna ny sazy”, hoy izy ireo.
Etsy andaniny, niantso ny olom-pirenena ny KMF/Cnoe hahay hisafidy. Hanara-maso ny vokatr’izany ary ho sahy hitory raha miseho ny fihoaram-pefy sy ny tsy fanarahan-dalàna. Mila depiote mahafehy ny andraikiny ny firenena. Ho mpanao lalàna sy hanara-maso ny asan’ny governemanta ary ho mpitondra ny hetahetan’ny vahoaka. Hanao tatitra koa, araka ny fanambarana hatrany.

Synèse R.

Partager sur: