FANTINA sy FINTINA

Anisan’ny fehinkevitra nandritra ny fikaonandohan’ireo mpahay lalàna, tetsy Besarety, omaly, ny fanimbazimbana ny lalàna amin’izao fotoana izao. “Tsy azo ekena ny miraviravy tanana”, hoy izy ireo. Mivonona ny handeha amin’ny alalan’ny lalàna izy ireo hanasitranana izao manjo ny firenena izao. Anisan’ny nitarika izany ny Pr Ranjeva Raymond.
Naneho ny fanohanany ny kandidàn’ny Firaisankina eto amin’ny faritra Analamanga ny eo anivon’ny vehivavy Tim. “Natolotry ny vovonana ireo ka ankatoavinay tanteraka rehefa natolotry ny filoha mpiara-mitantana, Ravalomanana Marc”, hoy ny mpitarika. Nanteriny fa tafiditra amin’ny fanajana ny fitsipika anatin’ny antoko izany.
“Antony hanohizana ny tolona ny tsy fipetrahan’ny tany tan-dalàna”, hoy ny kandidà laharana faharoa eny Avaradrano, Andrianainarivelo Hajo, ny sabotsy teo. Nohitsiny fa zary mitazam-potsiny ireo tomponandraikitra voatendry sy voafidy manoloana ny tsy nahazoan’ny mponina ny onitra na tambiny amin’ny fahasimban’ny fananany amin’ilay lalambe migodana.
Notebahin’i “Del kely” tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja”, omaly, ny fomba fiadin’ny kandidàn’ny Irmar ao Fandriana. “Mampiasa ny fitaovan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izy ireo ao… Aiza ianareo Ceni amin’izany? Hafa mihitsy izao ny fandehany raha izahay no nanao izany”, hoy izy.

Partager sur: