Mialoha ny fampielezan-kevitra : handray fepetra amin’ireo mihoa-pefy ny HCC

Mbola nanamafy ny fampitandremany. Mitohy ny atrikasan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) nampahafantarana ireo fepetra sy ny lalàna tokony harahina.

Anisan’ny nentin’izy ireo tamin’izany ny fampahafantarana amin’ireo mpirotsa-kofidina sy ny mpanohana azy ary ny fiarahamonina sivily ny amin’ny fifanolanana momba ny raharaham-pifidianana sy ny dingana tsy maintsy arahina amin’ny fanaovana fitoriana. Nifampizara amin’ny fitetezana ireo renivohi-paritany ny mpikamban’ny HCC, taorian’Antananarivo. “Tsy voalazan’ny lalàna ny amin’ny vanim-potoana mialoha ny fampielezan-kevitra, fa ny mo­mba ny fampielezan-kevitra no voalazan’ny lalàna”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, tany Toliara, afakomaly. Mazava ny voalazan’ny lalàna ny amin’izay azo atao sy tsy azo atao mandritra ny fampielezan-kevitra. Raha misy fihoaram-pefy na fandikan-dalàna, mety mitarika amin’ny fanalana an-daharana ny mpirotsa-kofidina izany. Na mahatonga fanafoanana voka-pifidinana manontolo na amin’ ny ampahany koa izany.

Fanalana an-daharana ny kandidà
Nomarihiny fa amin’izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao, mahazo mampahafantatra ny momba azy ny mpirotsa-kofidina sy ny mpanohana azy. Efa navoakan’ny Ceni ny lisitra ofisialin’ny kandidà manerana an’i Mada­gasikara. Na izany aza, fady sy tsy azo atao ary mety hitarika amin’ny fanalana an-daharana ny mpirotsa-kofidina amin’ny fifidianana ny filazana hoe: “Fidio aho”, “Fidio Ranona”. Tsy tokony hanao an’izany ny kandidà, ny antoko mpanohana azy, ny mpanohana azy. Nohamafisiny izay mba tsy hisian’ny fifanomezan-tsiny, Ho avy ny sazy raha misy ny fitoriana. Na raha tsy misy ny fitoriana fa misy mampahafantatra amin’ny HCC ary ananana porofo.

R. Nd.

Partager sur: