Notsiahivin’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), i Monica Rasoloarison, omaly, fa nametrahana ny firaisankinan’ny mpanao gazety tany amin’ny taona 1974 no antony nananganana ny holafitra. Teo ny teritery sy ny tsindry samihafa niseho tamin’ izany. “Nandalo vanim-potoana sarotra ny asa fanaovan-gazety tao anatin’izay 50 taona izay. Na teo amin’ny lafiny politika na sosialy”, hoy izy. Notsindriny fa tokony iainana amin’ny sehatra iasana ny teny fanevan’ny OJM : “Mpanao gazety matihanina miray hina ho amin’ny fampandrosoana”, araka ny nambarany. Nentaniny ireo misehatra amin’ ity asa ity ho matihanina sy hanaja ny tandrohasina sy ny laminasa ary ho hery fahefatra hatrany. Manana anjara biriky ho amin’ny fampandrosoana ny firenena koa isika, araka ny nambarany. Natsidiny koa fa anisan’ny asa miandry ny OJM ny fametrahana ny Tsanganasa eo amin’ny asa fanaovan-gazety. Efa natao avokoa ny dingana rehetra ary iantsoana ny fiaraha-miasa amin’ ny sehatra hafa. Mamparefo ny asan’ny mpanao gazety ny fepetra sy ny fiahiana azy ireo manodidina ny tontolo iainan’ny mpanao gazety.
Synèse R.




