Fiahiahiana kolikoly : miisa telo ireo kandidà depiote voasambotra

Miisa telo, hatramin’ny omaly, ireo kandidà depiote noahiahiana amin’ny resaka kolikoly nosamborina na nampidirina am-ponja. Manomboka mampiaka-peo koa ireo kandidà sasany amin’ireo teritery samihafa

Anisan’ny tsy afa-bela amin’izany ny kandidà tsy miankina, ao Vangaindrano, Mahavitara Sylvestre. Nampidirana am-ponja eny Antanimora ny 8 avrily teo noho izy ahina ho nanodinkodim-bola tamin’ny Covid-19 fony izy niasa teo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nosamborina tao­rian’ny fametrahany ny dosie-ny ity kandidà ity ary niakatra fampanoavana sy nohadihadian’ny Bianco. Notanana am-ponja vonjimaika avy eo. Tahaka izany koa ny kandidà depiote, Arosy Namiandrazana François na i La Banane. Nosamborina tao Nosy Be ny 5 avrily teo taorian’ny nametrahany ny dosie firotsahan-kofidiany. Nokasaina halefa amin’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), aty Antananarivo ny tenany. Afaka nody any an-tokantranony ihany anefa ny tenany, taorian’ny fanadihadiana. Nirotsaka amin’ny anaran’ny tsy miankina izy izao ary laharana fahatelo amin’ny biletà tokana.

Fandrahonana sefo fokontany
Ankoatra izany, nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora, afakomaly ny kandidàn’ny Firaisankina ao Antsirabe, Ramalason Olga rehefa niakatra tetsy amin’ny Pac 67ha. Anisan’ny niahiahiana azy ny fanamparam-pahefana sy fanaovana hosoka amin’ny taratasin-tany, fony izy ben’ny Tanànan’Antsirabe ny taona 2009.
Etsy andaniny, nihaona tamin’ny prefet an’Antananarivo ny kandidà Rossy, afakomaly. Nitatitra ny fitarainan’ireo sefo fokontany izy noho ny fandrahonana fa hoesorina raha tsy manohana mivantana ny kandidàn’ny Irmar. Notakiny koa ny fametraham-pialan’ireo kandidà ireo amin’ny andraikitra maromaro sahaniny amin’izao fitondrana izao. “Aoka isika hanara-dalàna ary atsa­haro ny tsindry sy ny ramatahora”, hoy i Rossy.

Synèse R.

.

Partager sur: