Filohan’ny AJT Toamasina: «Aoka tsy hampirafesina ny samy mpanao gazety»

Hentitra ny filohan’ny Fi­kambanan’ny mpanao gazety ao Toamasina (AJT), Sa­botsy Jose
(Sajo), raha nanafatrafatra ny mpanao politika sy solontenam-panjakana. Nohitsiny fa aoka izay ny fampirisihana ny mpanao gazety miandany aminareo hankahala ny hafa tsy mitovy firehana aminareo. “Avelao izahay hitrandraka vaovao ataonareo ankalamanjana. Zony tanteraka izany na antsoinao na tsia izy mba hisian’ny filaminana. Aza ampifarafesina ny samy mpanao gazety”, hoy izy tamin’ny fifampiarahaban’ny mpikambana eo anivon’ny AJT noho ny fahatrarana ny taona 2024 tetsy Mangarano, ny herinandro teo. Niatrika izany ny ankamaroan’ireo mpitondra isan’ambaratongany ao Toa­masina sy ny faritra nampitana izany hafatrafatra izany.
Nitodika amin’ny mpanao gazety koa anefa ny filohan’ny AJT, ka nentaniny tsy hankahala ny namana na tsy mitovy firehana sy hevitra politika aza. “Fery sarotra tsaboina ny mety ho vokatr’izany. Mian­kina amintsika ny hampilamina na tsia ny trangan-javatra anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana tahaka izao”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa natao tamin’izany koa ny fanadiovana ny tsangambaton’ny faha-15 taonan’ny AJT sy ny manodidina teo ary ny fandokoana ilay hazo baobab eo anoloan’ny CRJS.

Sajo sy i Synèse R.

Partager sur: