Fisamborana sy fanagadrana: mampiaka-peo ny vovonana RMDM

Anisan’ireo nanotrona ny minisitra teo aloha sady kandidà depiote, Ramalason Olga naterina teny Antanimora, afakomaly hariva ireo depiote Tim. Tsy nitsitsy fitenenana i “Del kely” tamin’izany. “Mam­piahiahy izao tranga izao. Tena hizotra amin’ny demokarsia ve isika sa ho any amin’ny fitondrana jadona ?”, hoy ny fanontaniany. Notsiahiviny fa maromaro ireo olona nosamborina na nogadraina tato anatin’ny roa volana farany ka anisan’izany ireo kandidà nametraka dosie teny amin’ny Ovec.
Nohamafisin’ny depiote, ny Me Razafimanantsoa Ha­nitra izany ka nilazany fa raharaha efa tany amin’ny 15 taona lasa izao nampidirana am-ponja ity loholona teo aloha ity izao. “Haingana be ny fizotry ny raharaha. Misy tsy ara-dalàna anefa izany raha tranga fony izy ben’ny Tanàna izany”, hoy izy. No­tsiahiviny fa tsy haka fanapahan-kevitra tsotra tahaka izany raha mpitantana tanàna. Tsy maintsy nisy fanapahana avy amin’ny filankevitra na koa idiran’ny olon-kafa ivelany ny raharaha vao tonga any aminy, araka ny nambarany. “Mety misy efa maty na tsy eo intsony ireo olona ireo… Misy koa ny fepetra sy lalàna arahina, araka ny faharetan’ny fe-potoana nisehoan’ny ny raharaha”, hoy ihany ity mpisolovava ity.
Etsy andaniny, tsy niandry ela fa nitaky avy hatrany ny hamoahana an-dRamalason Olga ny eo anivon’ny RMDM. Atsaharo ny fanenjehana sy ny famonjana ny sekretera jeneralin’ity vovonana ity, araka ny nambaran’izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: