Manakara : tsy hanohana kandidà Irmar ny RPSD

“Nanolotra anarana folo izahay, izaho no nitarika ny lisitra tamin’izany: tsy nisy tafiditra na ny iray aza. Tsy afa-nirotsaka koa aho, fa tsy afa-mitondra ny lokon’ny RPSD intsony fa efa ao anatin’ny vovonana manohana ny Irmar”. Io ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny RPSD izay ao anatin’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar), Andriantsi­zehena Benja Urbain, ny amin’ ny tsy anohanan’ny antokony ny kandidà Irmar ao amin’ny distrikan’i Manakara, faritra Fitovinany, amin’izao fifidianana depiote izao. Sarotra ami­ny koa ny hanao tsy miankina. Ao anatin’ny Armada ny RPSD, miaraka amin’ny Irmar. Misy antony manokana matoa ny antoko mivondrona ao anatin’ny vovonana iray. Manom­boka eo amin’ny fifampizarana amin’ny fanendrena izay ho kandidà izany. Nefa tsy nisy izay. Tsy misy na kandidà iray aza tafiditra ao amin’ny Irmar manerana an’i Mada­gasikara. Ma­noloana izany, nanao fanambarana izy fa manohana ny kandidà lah. 2 tsy miankina.

R. Nd.

Partager sur: