FANTINA sy FINTINA

Voatendry ho governora mpisolo toerana ho an’ny faritra Ihorombe, Rakotondrasoa Annie Frankline, araka ny fanapahan’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha.
Ho mpisolo toerana any Atsinanana, Bemahefa Gervais. Foana kosa ny fanendrena ny governoran’Itasy sy ny any Vatovavy.
Nankatoavin’ny fanjakana ny fitazonana ny toerana misy ny masoivoho any Sina, amin’izao fotoana izao. Nomen’ny governemanta Sinoa safidy ho afaka mividy tany sy manorina trano any an-toerana na koa manofa amin’ny firenena sinoa ny fanjakana, nialoha izao fanapahan-kevitra izao.
Hatao ny 7 hatramin’ny 9 jona izao, any Sava, ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra (Jir). Efa miditra amin’ny andiany fahasivy izany izao ity hatao ity. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy, afakomaly izany, notarihin’ny minisitra, Rasata Rafaravavitafika.
Mampahatsiahy ny Ceni fa manana 5 minitra ao amin’ny TVM/RNM hampahafantarana ny momba azy sy ny fanentanana hifidy ireo kandidà ho fidina ho depiote. Isaky ny distrika izany ary maimaimpoana. “Voarara anefa ny manentana ny vahoaka hifidy ny tenany, na ny antoko misy azy amin’io fandaharana io”, hoy ny Ceni

Partager sur: