Razafiarison Laza: “Mila ovaina ny rafitra parlemantera”

Irosoana izao ny fifidianana depiote. Hanao ahoana? Manana ny fijeriny ny filohan’ny antoko RCR, Razafiarison Laza, fa ilaina ovaina ny rafitra parlemantera. Fanehoan-kevitra…

“Raha depiote iray amin’ireo boriborintany enina eto Anta­na­narivo, ohatra, no manolotra lalàna: lalàna toy inona no azon’ny eny anivon’ny parlemanta hanatsarana an’Anta­nanarivo? Tsy misy izany. Noho izany, mila manova an’io rafitra parlemantera io isika”. Izay no fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko ny Tambaben’ny olom-pirenena nampiraisin’ny andraikitra na Rassemblement des citoyens responsables (RCR), Razafia­rison Laza, ny amin’ny fiatrehana fifidianana depiote amin’izao. Na eo aza ny fananana depiote, fantatra ary iaraha-mahita ny filohan’ny andrimpanjakana teo: voaongana noho ny filazana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Koa raha ny filohan’andrimpanjakana aza miongana, hahatohitra ilay rafitra ve ilay andrimpanjakana? Tsy miteny olona izy amin’izany, fa miteny rafitra hoe marefo ny rafitra fanaraha-maso na latsaka ambany ny fanaraha-maso. Koa mila ovaina izany rafitra izany.
Izay rafitra tsy mety izay no misy eto Madagasikara amin’izao. Koa tsy midika na inona na inona ny tetiandro na ny fandaharam-potoana hoe miatrika fifidianana indray, ohatra, izao. Miverimberina fotsiny ny zavatra rehetra efa teo aloha. Raha raisina tsirairay ny zava-nitranga teto, efa nisy tany aloha avokoa izay mitranga amin’izao. “Raha manao politika izahay, tsy manaraka tetiandro ao anatina rafitra maty. Iarahantsika mahalala fa maty ny rafitra”, hoy izy ny amin’ny fifidianana depiote. Noho izany, tsy mitondra na inona na inona loatra amin’ny fanovana ny firenena na ny tetiandro na ny fandaharam-potoana politika.

R. Nd.

Partager sur: