Ady amin’ny kolikoly : hanampy amin’ny paikady vaovao ny FMI

“Andry fahatelo amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny fitondrana tsara tantana. Manana ampahany lehibe amin’izany ny ady amin’ny kolikoly. Koa manohana ny rafitra iadiana amin’ny kolikoly ny FMI amin’ny famolavolana paikady vaovao iadiana amin’ny kolikoly”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Komity fitandroana ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, ny amin’ny fihaonan’ny iraky ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), tarihin’i Frédéric Lambert , tamin’ireo rafitra iadiana amin’ny kolikoly, ny CSI, ny Bianco sy ny Arai ary ny Pac, teny Antaninare­nina, omaly. Misy lanjany lehibe ho an’ireo fampindram-bola roa vaovao homena an’i Mada­gasikara atsy ho atsy ny famolavolana sy fanavaozana ary fanatsarana hatrany ny paikady iadiana amin’ny kolikoly.
Misy lafin-javatra roa vaovao tian’ny CSI hampidirina ao anatin’izany paikady vaovao izany. Eo ny fanatsarana ny ady amin’ny kolikoly mifanandrify amin’ny fitantanana ny volam-panjakana. Eo koa ny ady amin’ny kolikoly eo amin’ ny sehatry ny tontolo iainana momba ny harena voajanahary, indrindra ny famotsiam-bola amin’ny fampiasam-bola. Mamoaka tatitra matetika ny FMI isaky ny manefa iraka. Ao anatin’izay, misy fanekena ataon’ny fanjakana momba ny ady amin’ny kolikoly amin’ny zavatra be dia be, toy ny hoe Jirama, Madagascar Airlines… Matetika, tsy tanteraka hatrany izy ireny.
Koa raha misy ny fepetra mialoha amin’ny fahazoana fampindram-bola ny paikadim-pirenena vaovao iadiana amin’ ny kolikoly, misy fepetra amin’ ny fanatanterahana azy izany mba tsy ho voahodina ny vola homeny an’i Madagasikara.

R. Nd.

Partager sur: