Fampielezan-kevitra : hiteny maimaimpoana ao amin’ny TVM sy RNM ny kandidà

Nampahafantatra ireo kandidà depiote ny eo anivon’ny Ceni fa omena ampaham-potoana maimaimpoana ao amin’ ny TVM/RNM. Misy anefa ny fepetra momba izany.

Hanomboka ny 8 mey izao hatramin’ny 27 mey, hatramin’ny misasakalina, ao amin’ny TVM/ RNM izany. Handeha amin’ny 8 ora – 8 ora sasany alina ny fandaharana ka mahazo 30 segondra indray mandeha avy.
Eny anivon’ny distrika kosa, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany – 10 ora 30mn ary amin’ny 2 ora tolakandro ho an’ny RNM. Manomboka amin’ny 9 ora sy sasany hatramin’ny 10 ora kosa izany ho an’ny TVM ka manana 5 minitra indroa miditra isan’andro isaky ny kandidà. Mitohy amin’ ny 1 ora hatramin’ny 1 ora sy sasany izany ka mahazo 15mn indroa miditra ny kandidà mandritra ny propagandy.
Etsy andaniny, misy koa ny ampaham-potoana andoavam-bola. Anisan’izany ny “Doka” maharitra 45 segondra. Alefa eny anivon’ny distrika izany ka intelo miditra : maraina, atoandro ary hariva.

Fanaraha-maso ny rakitsary sy ny rakipeo

Nametraka ny fepetra anefa ny eo anivon’ny Ceni. Anisan’izany ny fijerena ny tetiandro idiran’ny kandidà tsirairay eo anivon’ny haino aman-jerin’ny fanjakana. Eo koa ny fandefasana amin’ny alalan’ny mailaka na “WeTransfert” ny rakitsary na ny rakipeo telo andro mialoha ny daty voatondro handehanan’izany amin’ny adiresy anrcmceni@gmail.com.
Manampy izany ny fanarenana ny rakipeo sy ny rakitsary raha nisy ny tsy fahatomombanana tsikaritra. Eo koa ny fanaraha-maso ny fandeha­nan’ny rakitsary sy ny rakipeo.

Synèse R.

Partager sur: